Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 16:9 - DIEM PROTESTANTA

Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity Eo imasonareo sy amin’ny andronareo Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

Jereo ny toko



Jeremia 16:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Kilan’ny afo ireo zatovolahiny; noho izany ireo zatovovaviny dia tsy nanaovana hiram-pampakarana;


Hofoanako tsy hisy eo aminareo ny tabataban’ny fety, ny horakora-pifaliana sy ny hiran’ny mpanambady, ny fidilotry ny vato fikoseham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.


Ary eny an-tanàn-dehiben’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ireo mpanambady satria ho lao ny tany.


Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin’izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Hatsahatro ny tabataban-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.