Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.
Jeremia 11:2 - DIEM PROTESTANTA –Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana ity! Hitenenanao kosa, ry Jeremià, ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihainoa ny tenin’izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana ity! Hitenenanao kosa, ry Jeremià, ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema Baiboly Katolika Mihainoa ny teny amin’izao fanekena izao, ianareo; ary mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, Baiboly Protestanta Malagasy Mihainoa ny tenin’izao fanekena izao hianareo, Ary mitenena amin’ny Joda Sy amin’ny mponina any Jerosalema, Malagasy Bible Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema, La Bible en Malgache Mihainoa ny tenin’izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema. |
Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.
Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho vahoakan’ny TOMPO.
Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io.
Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,
Fa hoy indray ny TOMPO tamiko: –Antsoy any an-tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema izao hafatra rehetra izao hoe: «Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana izay nampanaoviko anareo ity, ary araho.