Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:3 - DIEM PROTESTANTA

3 ka hilazanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin’ity fanekempihavanana ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’izao fanekena izao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 ka hilazanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin’ity fanekempihavanana ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: «Ho voaozona ny olona tsy mihaino ny tenin’ity fanekena ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’izao fanekena izao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’izao fanekena izao,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Izao no lazain’ny TOMPO: –Voaozona izay mitoky amin’olombelona sy miantehitra amin’ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.


Dia hovaliana hoe: «Satria nandao ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin’ireny.»


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!


«Ho voaozona anie izay tsy mankatò ireo teny momba ity Lalàna ity sy tsy manatanteraka azy!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra