Dia i Eliakima zanakalahin’i Jôsià no voatendren’i Nekao ho mpanjaka handimby an-drainy, ary novany anarana hoe Jôiakima. Fa i Jôahaza kosa nentin’i Nekao ho any Ejipta ka maty tany.
Jeremia 1:3 - DIEM PROTESTANTA sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema. Baiboly Katolika sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5. Baiboly Protestanta Malagasy sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda koa, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy. Malagasy Bible sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy. La Bible en Malgache sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy. |
Dia i Eliakima zanakalahin’i Jôsià no voatendren’i Nekao ho mpanjaka handimby an-drainy, ary novany anarana hoe Jôiakima. Fa i Jôahaza kosa nentin’i Nekao ho any Ejipta ka maty tany.
Ary notendren’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka handimby an’i Jôiakina i Matanià rahalahin-drainy, ka novany ho Tsedekià ny anarany.
Ny zanakalahin’i Josià dia i Johanàna no lahimatoa, i Jôiakima no faharoa, i Tsedekià no fahatelo, ary i Saloma no fahefatra.
Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:
Tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO izao teny izao:
«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.
Nony tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakàn’i Tsedekià dia nisy voabanga ny mandan’ny tanàna.
nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?
–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin’ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an’ny vahoakan’i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.