Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak’andriana rehetra izy.
Isaia 3:12 - DIEM PROTESTANTA Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ny oloko dia zaza no mampahory azy, ary vehivavy no mitondra azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao sady mandrava ny lalana alehanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao. Baiboly Katolika Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny làlana alehanao. Malagasy Bible Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao. La Bible en Malgache Ny amin’ny oloko dia zaza no mampahory azy, ary vehivavy no mitondra azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao sady mandrava ny lalana alehanao. |
Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak’andriana rehetra izy.
Mandrava ny lalan-kalehako ireo, ary samy miady fo hamery ahy ka tsy mila ampiana akory amin’izany.
Mampitombo famoretana ny mpanapaka tsy ampy saina; fa ho ela velona kosa izay mankahala fierenana.
Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.
Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.
Ka hoy ny Tompo hoe: «Ankizy no hotendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany.»
Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.
maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?
Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.
Indro tonga osa toy ny vehivavy ny lehilahy eo aminao; ary midanadana ho an’ny fahavalonao ny vavahadin’ny taninao, satria kilan’ny afo ny hidiny.
Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.
–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [