Fa nandositra teo anoloan’ny sabatra ireny, teo anoloan’ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan’ny tsipîka nihenjana ary teo anoloan’ny ady mahery vaika.
Isaia 22:3 - DIEM PROTESTANTA Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao, azo babo noho ny tifitra tsipîka izy. Nataon’ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany, hatramin’ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miara-mandositra ny mpitondra anao; afatotry ny mpandefa zana-tsipìka izy. Izay olona rehetra hita tao aminao dia niaraka azo babo, na dia nitady handositra lavitra aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao, azo babo noho ny tifitra tsipîka izy. Nataon’ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany, hatramin’ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza. Baiboly Katolika Ny lehibenao indray nandositra avokoa, voasambotra tsy amin-tsipìka; ny vahoakanao indray azo avokoa, teny am-pandosirana any lavitra any. Baiboly Protestanta Malagasy Niara-nandositra ny lehibenao, Nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, Na dia nitady handositra lavitra aza. Malagasy Bible Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. La Bible en Malgache Miara-mandositra ny mpitondra anao; afatotry ny mpandefa zana-tsipìka izy. Izay olona rehetra hita tao aminao dia niaraka azo babo, na dia nitady handositra lavitra aza. |
Fa nandositra teo anoloan’ny sabatra ireny, teo anoloan’ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan’ny tsipîka nihenjana ary teo anoloan’ny ady mahery vaika.
Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.