Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 1:8 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama dia nanana anaka indray ny reniny ka nitera-dahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony notazany i Lô-Rôkama, dia nanana anaka indray ravehivavy, ka nitera-dahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa notazana Lô-rohama, dia nanan-anaka indray reniny ka nitera-dahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama dia nanana anaka indray ny reniny ka nitera-dahy.

Jereo ny toko



Hosea 1:8
4 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa lehibe ny zaza, dia nosarahi-nono. Koa nanao fanasana lehibe i Abrahama noho izany.


Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany, satria tsy haneho fitiavana intsony amin’ny taranak’i Israely Aho; eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.


Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.»