Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.
Hosea 1:6 - DIEM PROTESTANTA Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany, satria tsy haneho fitiavana intsony amin’ny taranak’i Israely Aho; eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanana anaka indray Ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy NY TOMPO taminy: Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Israely intsony Aho; eny, tsy havelako mihitsy ny helony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany, satria tsy haneho fitiavana intsony amin’ny taranak’i Israely Aho; eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako. Baiboly Katolika Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Rôkama ny anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak’i Israely Aho ka hamela heloka azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanan-anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lô-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony. Malagasy Bible Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony. La Bible en Malgache Ary nanana anaka indray Ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy NY TOMPO taminy: Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Israely intsony Aho; eny, tsy havelako mihitsy ny helony. |
Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.
Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.
Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,
Miampangà an’i Israely reninareo; eny, miampangà azy, hoy Izaho TOMPO, fa izy tsy vadiko intsony ary Izaho tsy vadiny intsony. Aoka hoesoriny hiala amin’ny tavany ny mariky ny fivarotan-tenany ary hoesoriny tsy ho eo an-tratrany ny famantaram-panitsakitsaham-bady!
Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Fira-potsy. Dia hoy indray ny Tompo hoe: –Indro Aho hampiasa fira-potsy hamelezako eo afovoan’i Israely vahoakako, satria tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.
Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY mampifantoka ny masony amin’ity fitondram-panjakana mpanota ity sady manao teny hentitra hoe: «Hamongotra azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony Aho, Kanefa tsy hamongotra manontolo ny taranak’i Jakôba.
Tsy vahoakan’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony.