Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 1:5 - DIEM PROTESTANTA

Amin’izany andro izany dia homontsaniko eo amin’ny lemak’i Jizrehèla ny herin’i Israely ara-tafika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany dia hotapahiko ny tsipìkan’ny Israely ao amin’ny tany lemaka Jezirela.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany andro izany dia homontsaniko eo amin’ny lemak’i Jizrehèla ny herin’i Israely ara-tafika.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany, hotapahiko, eo amin’ny tanilemak’i Jezrahely, ny tsipìkan’i Israely.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany dia hotapahiko ny tsipìkan’ny Israely ao amin’ny tany lemaka Jezirela.

Jereo ny toko



Hosea 1:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


Fa hifotitra ny sabatra eny an-tanany ka hitsatoka amin’ny fony ihany; ary ny tsipîkany ho tapatapaka.


Tongava hizaha ny asa vitan’ny TOMPO, dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:


Tonga hanafika an’i Babilôna ny mpandrava, ka hanao sambo-belona ireo maherifony, sy hanapotika ny tsipîkany. Fa ny TOMPO dia Andriamanitra mamaly ny natao ka mampihatra tokoa ny valifatiny.


Avy eo kosa hasiako ianao, ka ho tapaka eny an-tananao ankavia ny tsipîkanao ary hianjera avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipîkanao.


Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.


Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela.


Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela.