Genesisy 8:12 - DIEM PROTESTANTA Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary mbola niandry hafitoana indray izy dia namoaka ilay voromailala. Tsy niverina teo aminy intsony anefa iny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa. Baiboly Katolika Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromahailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny. Malagasy Bible Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny. La Bible en Malgache Ary mbola niandry hafitoana indray izy dia namoaka ilay voromailala. Tsy niverina teo aminy intsony anefa iny. |
Fa niverina tany amin’i Noà ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin’ôliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr’i Noà tamin’izany fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany.
Amin’izany andro izany no hilazana hoe: «Indro ny Andriamanitsika. Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny. Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika, koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!
Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.
Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindra fo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.
Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin’ny taranak’i Jakôba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.
Ilaozy ny tanànanareo, ry mponin’i Môaba, ka mitoera eny amin’ny harambato. Aoka ianareo hanahaka ny voromahailala izay manao akany eny am-pitan’ny hantsana.
Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.