Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 6:4 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany andro izany, sy taorianan’izany koa, rehefa nivady tamin’ireo zanakavavin’ny olona ireo zanak’Andriamanitra dia niteraka taminy ka nisy ireo Nefilima tetỳ ambonin’ny tany; ireo no olo-mahery hatrizay ela izay, dia ireo lehilahy nanan-daza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany andro izany, sy taorianan’izany koa, rehefa nivady tamin’ireo zanakavavin’ny olona ireo zanak’Andriamanitra dia niteraka taminy ka nisy ireo Nefilima tetỳ ambonin’ny tany; ireo no olo-mahery hatrizay ela izay, dia ireo lehilahy nanan-daza.

Jereo ny toko



Genesisy 6:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Avy teo dia hoy koa ireo hoe: «Andeha isika hanorina tanàna misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin’izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin’ny velaran’ny tany.»


Hitanay tao hatramin’ireo olona goavambe taranak’i Hanàka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.


hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.


Nisy nihevitra azy ireo ho Refaîta, tahaka ny Hanakita; fa ny Môabita no niantso azy hoe Emîta.


I Hôga mpanjakan’i Basàna manko no hany sisa tavela tamin’ny Refaîta. Mbola hita ao Rabà, renivohitry ny Amôrita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin’ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halàvany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.


Dia nisy rapeton’olona nivoaka ny tobin’ny Filistinina mba hihantsy ady amin’ny Israelita; ny anarany dia i Gôliata, ary avy any Gata izy. Nirefy tokony ho telo metatra izy.