Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: –Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.
Genesisy 5:3 - DIEM PROTESTANTA Rehefa feno 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy manahaka azy sy mitovy endrika aminy ary nantsoiny hoe Seta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Telopolo amby zato taona i Adama raha niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny, ary ny anarany dia nataony hoe Seta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa feno 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy manahaka azy sy mitovy endrika aminy ary nantsoiny hoe Seta. Baiboly Katolika Telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny, izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. Malagasy Bible Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. La Bible en Malgache Telopolo amby zato taona i Adama raha niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny, ary ny anarany dia nataony hoe Seta. |
Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: –Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.
Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy.
Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia mbola velona nandritra ny 800 taona i Adama, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.
Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ary ahoana no hahadio izay tera-behivavy?
Dia novalian’ny anjely hoe: –Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin’ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.
zafin’i Kainàma, zafiafin’i Arfaksàda, zafin-dohalik’i Sema, zafin-kitrokelin’i Noà, zafim-paladian’i Lamèka,
Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy.
Noho ny nataon’ny olona anankiray, dia i Adama, no nidiran’ny fahotana teo amin’izao tontolo izao, sady nidiran’ny fahafatesana koa noho ny fahotana; ary dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy nanota izy rehetra.
Tsy mitovy nofo ny zavamananaina rehetra mitafy nofo: hafa ny an’ny olombelona, hafa ny an’ny biby, hafa ny an’ny vorona, ary hafa ny an’ny trondro.
Tahaka ny nitondrantsika ny endrik’ilay olona avy amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’ilay olona avy any an-danitra.
Izahay rehetra koa dia anisan’ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin’ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay.