Amin’izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin’ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan’ny mosary ny tany.
Genesisy 47:13 - DIEM PROTESTANTA Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary. Baiboly Katolika Dia tsy nisy hanina intsony tamin’ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon’ny mosary. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nisy hanina teo amin’ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. Malagasy Bible Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. La Bible en Malgache Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana. |
Amin’izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin’ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan’ny mosary ny tany.
Ka hoy i Ahàba tamin’i Hôbadià: –Andeha hotetezintsika ny tany hijerena ny loharano sy riaka rehetra, sao hahita ahitra ihany isika hamelomana ny soavaly sy ny boriky mba tsy hamonoana ny biby fiompintsika.
Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;
Aleo lavitra aza matin-tsabatra toy izay matin’ny mosary sy mitofezaky ny harerahana satria tsy misy vokatry ny saha.
Tamin’izay dia nisy mosary nanerana an’i Ejipta sy i Kanahàna manontolo ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanin-kohanina ny razantsika.