Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 9:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary hoy NY TOMPO: Satria nahafoy ny lalànako izay nataoko teo anoloany izy; satria tsy nihaino ny feoko izy ary tsy nankatò izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia hoy i Iaveh: «Satria izy ireo nahafoy ny lalàko, izay nataoko teo anoloany; tsy nihaino ny feoko, sy tsy nanaraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Jehovah: Satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy Ka tsy nankatò izany Ary tsy nihaino ny feoko,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary hoy NY TOMPO: Satria nahafoy ny lalànako izay nataoko teo anoloany izy; satria tsy nihaino ny feoko izy ary tsy nankatò izany,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 9:12
22 Rohy Ifampitohizana  

ary ny tany lonaka ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.


Izay hendry, aoka hisaintsaina izany sy hahatsapa ny fitiavan’ny TOMPO!


Iza aminareo no hanongilan-tsofina handre izao teny izao ka ho mailo hihaino azy amin’ny ho avy?


«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Aza henoinareo ny teny izay ampitain’ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambaràna izay lazainy aminareo dia avy amin’ny eritreriny ihany fa tsy avy amin’ny vavako.


Raha nanatrika ny filankevitro izy, dia ho afa-nampita ny teniko tamin’ny vahoakako ka ho nitarika azy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy amin’ny zava-mamohehatra fanaony.


Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


«Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana, ary miditra ao an-dapantsika; eny an-dalambe no andringanany ny ankizy ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.»


Eny, hampionona anareo ireo olona sisa tavela ireo satria ho takatrareo, rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, fa rariny izay rehetra nataoko namelezana io tanàna io. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Hataon’i Efraîma inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.


Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.


Malahelova ianareo mpiasa tany, midradradradrà ianareo mpamboly voaloboka; ny amin’ny vary sy ny ôrza, dia levona ny vokatry ny saha.


Teny hentitra avy amin’ny TOMPO izao: «Nahafongana firenena maro Aho, narodako ny tilikambon’ny màndany, navelako ho foana ny làlany, ka tsy nisy mpandalo intsony; noravako ny tanànany ka tsy nisy mponina intsony.


–Ho hitanareo tafajoro ao amin’ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan’i Daniela mpaminanin’Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!)


Raha mba hendry ireo dia ho nahalala izao sy ho nahafantatra ny hiafarany:


Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra