Samy nandriatra ny fitafiany izy ary samy namatratra ny entany teny amin’ny borikiny avy, dia niverina ho ao an-tanàna.
Genesisy 44:4 - DIEM PROTESTANTA Ary rehefa nivoaka ny tanàna izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Jôsefa tamin’ilay mpikarakara ny ao an-tranony: –Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: «Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tafavoaka ny tanàna izy ireo ka tsy mbola lasa lavitra dia hoy i Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao izy dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa nivoaka ny tanàna izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Jôsefa tamin’ilay mpikarakara ny ao an-tranony: –Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: «Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa? Baiboly Katolika Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lavitra akory izy, dia hoy i Josefa tamin’ilay mpikarakarany: «Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rehefa mahatratra azy ianao dia lazao aminy hoe: ‹Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa? Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana hianareo namaly ratsy ny soa? Malagasy Bible Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa? La Bible en Malgache Rehefa tafavoaka ny tanàna izy ireo ka tsy mbola lasa lavitra dia hoy i Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao izy dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa? |
Samy nandriatra ny fitafiany izy ary samy namatratra ny entany teny amin’ny borikiny avy, dia niverina ho ao an-tanàna.
Nony ampitso vao mangiran-dratsy, dia navela handeha ireo lehilahy ireo mbamin’ny borikiny.
kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.
fa hoy i Jesoa taminy: –Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin’ny Ray; ka inona amin’ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?
Rehefa vita izany tenin’i Davida tamin’i Saoly izany, dia nanontany azy i Saoly hoe: –Feonao tokoa ve izany, ry Davida zanako ô! Ary dia nigogogogo nitomany i Saoly.