Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 42:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia nidina tany Ejipta ireo zokin’i Jôsefa folo lahy mba hividy vary.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’i Josefa mba hividy vary any Ejipta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nidina tany Ejipta ireo zokin’i Jôsefa folo lahy mba hividy vary.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Lasa nidina hividy vary any Ejipta ny rahalahin’i Josefa folo lahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’i Josefa mba hividy vary tany Egypta.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’i Josefa mba hividy vary any Ejipta.

Jereo ny toko



Genesisy 42:3
4 Rohy Ifampitohizana  

Namaly kosa ireo hoe: –Misy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, zanak’olona iray ihany any amin’ny tany Kanahàna; ary indro ny faralahy aminay aza dia nijanona any amin’ny rainay, fa ny iray kosa efa tsy ao intsony.


Indro, reko fa misy vary any Ejipta. Koa andeha midina any mividy vary ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.


Tsy nalefan’i Jakôba niaraka tamin’ireo rahalahiny kosa i Benjamîna zandrin’i Jôsefa, fa hoy izy hoe: «Sao misy loza hanjo azy any.»


Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna.