Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.
Genesisy 41:7 - DIEM PROTESTANTA ka ireto salohim-bary manakofa dia nitelina iretsy vokatra sady tsara. Dia taitra ny Farao ka nahatsapa fa nanonofy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito matavy sy be voa. Dia nahatsiaro i Farao, koa indro fa nofy ihany izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka ireto salohim-bary manakofa dia nitelina iretsy vokatra sady tsara. Dia taitra ny Farao ka nahatsapa fa nanonofy izy. Baiboly Katolika Ary natelin’ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary vaventy sady feno tsara. Dia nahatsiaro i Faraôna; ka indro nofy izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-bary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany. Malagasy Bible Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany. La Bible en Malgache Ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito matavy sy be voa. Dia nahatsiaro i Farao, koa indro fa nofy ihany izany. |
Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.
Indray mandeha dia nanonofy i Jôsefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalàn’ireo azy.
Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo;
Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.
Rehefa nifoha i Salômôna, dia nahatsapa fa nitenenan’Andriamanitra tamin’ny nofy. Niverina tany Jerosalema izy, ary nitsangana teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ka nanatitra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana; avy eo izy dia nanao fanasana ho an’ny tandapany rehetra.