Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.
Genesisy 40:10 - DIEM PROTESTANTA Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ilay tahom-boaloboka dia nisampana telo. Nony nitsimoka izy dia niposaka ny voniny ary ny sampahony dia nahavanona voaloboka masaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany. Baiboly Katolika ary nisampana telo io foto-boaloboka io; dia nitsimoka izy, niposaka ny voniny, nanjary voaloboka masaka ny sampahony. Baiboly Protestanta Malagasy ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka. Malagasy Bible ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka. La Bible en Malgache Ilay tahom-boaloboka dia nisampana telo. Nony nitsimoka izy dia niposaka ny voniny ary ny sampahony dia nahavanona voaloboka masaka. |
Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.
Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.
Midina ao an-jaridainam-boankazo aho hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
Dia hoy i Herôda rehefa nandre izany: –I Jôhany Mpanao batisa izay, ilay efa nasaiko notapahina iny ny lohany, kanefa dia izany izy velona izany indray!