Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy.
Genesisy 4:6 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamin’i Kaina: –Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamin’i Kaina: –Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? |
Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy.
«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.
Aoka hodinihinareo ny tenin’ny TOMPO ry taranaka ankehitriny! Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely? Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe: «Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?»
fa izao no lazainy aminareo: Inona moa no hadisoana hitan’ny razanareo tamiko no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy? Nandeha nanaraka zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa!
Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.