Hitan’i Jakôba nisoritra teny amin’ny tarehin’i Labàna fa tsy toy ny teo aloha intsony ny fiarahany aminy.
Genesisy 4:5 - DIEM PROTESTANTA fa tsy nankasitraka kosa an’i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa i Kaina mbamin’ny fanatiny kosa dia tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa tsy nankasitraka kosa an’i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy. Baiboly Katolika fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy. Baiboly Protestanta Malagasy fa Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. Malagasy Bible fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. La Bible en Malgache fa i Kaina mbamin’ny fanatiny kosa dia tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny. |
Hitan’i Jakôba nisoritra teny amin’ny tarehin’i Labàna fa tsy toy ny teo aloha intsony ny fiarahany aminy.
ka nilaza tamin’izy mirahavavy hoe: –Hitako nisoritra teny amin’ny endriky ny rainareo fa tsy tahaka ny teo aloha intsony ny fifandraisany amiko, kanefa ilay Andriamanitry ny raiko efa nanambina ahy.
Tezitra mafy ilay tompon’i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn’ny vadiny izay nataon’ny mpanompony taminy.
Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.
Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.
Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.
Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy.
Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona tsara noho ny an’i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.
Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.
Nefa hoy ny TOMPO taminy: «Aza sodokan’ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin’ny atin’ny fo.»