Nahoana no nandositra an-tsokosoko ianao ka namitaka ahy? Raha nampandre ahy anefa ianao, dia ho nateriko nombàn’ny hiram-pifaliana sy ny ampongatapaka ary ny lokanga.
Genesisy 4:21 - DIEM PROTESTANTA Nisy rahalahiny natao hoe Jobala, io no razamben’ireo rehetra mpitendry kabôsy sy mpitsoka sodina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anaran’ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka sodina rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy rahalahiny natao hoe Jobala, io no razamben’ireo rehetra mpitendry kabôsy sy mpitsoka sodina. Baiboly Katolika Ny anaran’ny rahalahiny Jobala; izy no rain’izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra. Malagasy Bible Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra. La Bible en Malgache Ny anaran’ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka sodina rehetra. |
Nahoana no nandositra an-tsokosoko ianao ka namitaka ahy? Raha nampandre ahy anefa ianao, dia ho nateriko nombàn’ny hiram-pifaliana sy ny ampongatapaka ary ny lokanga.
I Hadà dia niteraka an’i Jabala: io no razamben’ireo mpitoetra an-day miaraka amin’ny biby fiompy.
I Tsilà kosa dia niteraka an’i Tobala-Kaina izay mpanefy ny zava-maranitra rehetra vita amin’ny varahina na vy. Ny anabavin’i Tobala-Kaina dia i Nahamà.
Mihira miaraka amin’ny amponga sy ny lokanga izy sady faly mandihy amin’ny feon-tsodina.
Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!
Mihirahira manaraka ny feon-dokanga ianareo sy mamorona zava-maneno tahaka an’i Davida.