Fa raha vao nandre ahy nanandra-peo sy niantsoantso izy, dia nandositra nivoaka ny trano ka namela ny lambany teto anilako.
Genesisy 39:16 - DIEM PROTESTANTA Dia napetrak’ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan’ny vadiny tao an-trano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia napetraky Ravehivavy teo anilany ilay akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia napetrak’ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan’ny vadiny tao an-trano. Baiboly Katolika Dia napetrany teo anilany teo ihany ny lamban’i Josefa, mandra-podian’ny tompony ao an-trano. Baiboly Protestanta Malagasy Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano. Malagasy Bible Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. La Bible en Malgache Dia napetraky Ravehivavy teo anilany ilay akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano. |
Fa raha vao nandre ahy nanandra-peo sy niantsoantso izy, dia nandositra nivoaka ny trano ka namela ny lambany teto anilako.
Dia nitantara tamin’ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: «Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.
Tsikilovin’ny olon-dratsy ny olo-marina ary tadiaviny izay hahafaty azy, fa tsy avelan’ny Tompo ho azony na ho voaheloka any am-pitsarana.
«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.
Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.