Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 39:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia nitantara tamin’ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: «Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia nilaza taminy araka ireo teny ireo izy hoe: Nanatona ahy ilay mpanompolahy hebreo izay noentinao ho eto amintsika mba hisangy ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia nitantara tamin’ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: «Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ary ireo teny ireo ihany no nolazainy taminy koa nataony hoe: «Iny andevolahy Hebrio, izay nampidirinao teto amintsika iny, dia nankaty amiko hisangy ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia nilaza taminy araka ireo teny ireo izy hoe: Nanatona ahy ilay mpanompolahy hebreo izay noentinao ho eto amintsika mba hisangy ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 39:17
15 Rohy Ifampitohizana  

dia niantso vonjy tamin’ireo mpanompony izy ka nanao hoe: –Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho.


Dia napetrak’ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan’ny vadiny tao an-trano.


Fa nanandra-peo sy niantsoantso aho, dia lasa nandositra nivoaka ny trano izy ka namela ny lambany teto anilako.»


Rehefa hitan’i Ahaba i Elià, dia nilazany hoe: –Hay! Tonga ianao, ry ilay mpitondra loza amin’i Israely!


Manatsoaka sabatra ireo olon-dratsy ary koa manenjana tsipîka mba handavoana ny ory sy ny mahantra ary hamonoana ny mahitsy fomba fiaina.


Aoka aho ho tandrinao sy hovalianao fa mivezi-poana amin-tsento sy toloko,


«Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao.


«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy.


Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany.


Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga.


Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga, ary ho very ny mpamafy lainga.


Ny mampahory olona amin’ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.


Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: –Nanevateva an’Andriamanitra Izy; ka inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga. Indro renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra