Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 37:3 - DIEM PROTESTANTA

Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tian’Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo misoratsoratra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tian’Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tian’Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo misoratsoratra.

Jereo ny toko



Genesisy 37:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa, dia nendahan’ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy;


Nalain’ireo rahalahiny ny akanjon’i Jôsefa ka natsobony tao anaty ran’osy novonoiny.


Avy eo dia nalefany tany amin’ny rainy iny niaraka amin’ny hafatra hoe: «Inty no hitanay, ka fantaro raha akanjon-janakao ity na tsia.»


Dia navoakan’ilay mpanompo izy; ary nohidiany ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. Nanao akanjo lava misoratsoratra i Tamara; fa izany no fentin’ny zanakavavin’ny mpanjaka, raha mbola virijiny izy.


Nofidinao ireo fitafiana marevaka sasany mba handravahanao ireo toeram-panasinanao, dia nijangajanga teo amboniny ianao. Zavatra tsy tokony hitranga na hisy akory izany.


Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ary efa nametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanany.


«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»