Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 34:9 - DIEM PROTESTANTA

Hifanaraka isika ka ny zanakareo vavy homenareo ho anay ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka hifanambady anaka isika: Omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakay vavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hifanaraka isika ka ny zanakareo vavy homenareo ho anay ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Aoka hifanambady anaka isika: «Ny zanaka vavinareo homenareo ho anay; ny anay kosa halainareo ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo-vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aoka hifanambady anaka isika: Omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakay vavy.

Jereo ny toko



Genesisy 34:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.


ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!


Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto.


I Hamôra anefa dia nilaza tamin’izy ireo hoe: –Raiki-pitia amin-drazazavavy i Sekema zanako lahy. Koa mba omeo ho vadiny re izy!


dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.


Ahoana àry no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin’ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavaka?


Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin’ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin’ny zanakalahinareo.