Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 32:1 - DIEM PROTESTANTA

Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nifoha vao maraina i Labana dia nanoroka ny zanany lahy sy ny zanany vavy ka nitsodrano azy, dia lasa nandeha nody any amin’ny fonenany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nanohy ny diany i Jakôba ary ny Anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ny fonenany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nifoha vao maraina i Labana dia nanoroka ny zanany lahy sy ny zanany vavy ka nitsodrano azy, dia lasa nandeha nody any amin’ny fonenany.

Jereo ny toko



Genesisy 32:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.


Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!


Kanefa tsy navelanao hanoroka ny zanako aman-jafiko akory aho, koa dia efa nanao hadalana ianao.


Niantso vonjy aho fa olo-mahantra ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny tamin’izay fahoriako rehetra.


Fa ny Tompo handidy ny anjeliny hiahy anao mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;


na i Paoly, na i Apôlao, na i Petera, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;


fa ankehitriny kosa naseho tamin’ny alalan’ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren’Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.


Tonga ambony lavitra noho ny anjely ny Zanaka, satria nandova anarana tsara noho ny an’ireo.