Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nanohy ny diany i Jakôba, ary nisy anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 I Jakoba kosa raha nizotra tamin’ny lalan-kalehany dia indreo, nisy anjelin’Andriamanitra nitsena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanohy ny diany i Jakôba, ary nisy anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Jakoba nizotra tamin’ny làlan-kalehany, dia nisy anjelin’Andriamanitra nitsena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Jakoba nizotra tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 I Jakoba kosa raha nizotra tamin’ny lalan-kalehany dia indreo, nisy anjelin’Andriamanitra nitsena azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:2
17 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao Mahanaîma i Davida, raha nita an’i Jôrdàna i Absalôma mbamin’ny miaramila rehetra amin’i Israely.


Niala tao Mahanaîma i Abinera zanakalahin’i Nera sy ny mpanompon’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly ka nankany Gibehôna.


Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,


Farany dia aza hadino i Simehỳ zanakalahin’i Gerà sady Benjaminita avy any Bahorima. Mafy loatra ny nanozonany ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaîma; nefa nidina nitsena ahy tao Jôrdàna izy, ka dia nianiana tamin’ny TOMPO aho fa tsy hamono azy ho faty amin’ny sabatra.


i Ahinadaba zanakalahin’i Hidao no tao amin’ny faritr’i Mahanaîma;


Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisà.


Nanampy ny andian-tafik’i Davida ireo satria lehilahy mahery avokoa, ary nanjary komandy tao amin’ny tafiny.


Misaora ny TOMPO, ianareo andian-tafiny rehetra izay mpanompony mpanatanteraka ny sitrany.


Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry tafiny tontolo.


–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? –Ilay TOMPOn’izao rehetra izao, Izy no mpanjaka be voninahitra! Fiatoana


Niantso vonjy aho fa olo-mahantra ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny tamin’izay fahoriako rehetra.


Dia hoy indray izy hoe: ‹Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako atỳ aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin’ny anjely mpiaro an’i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an’i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo.


Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe:


Avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramôta any Gilehada, izay tanàna fialofana, i Mahanaîma,


Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra