Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:60 - DIEM PROTESTANTA

60 Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

60 Nitsodrano an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Ry anabavinay, ho tonga arivoarivo sy alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny tanànan’ny fahavalony!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

60 Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

60 Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

60 Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie hianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’izay mankahala azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

60 Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

60 Nitsodrano an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Ry anabavinay, ho tonga arivoarivo sy alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny tanànan’ny fahavalony!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:60
15 Rohy Ifampitohizana  

Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!


Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Dia niainga i Rebekà sy ireo mpanompovaviny ka nitaingin-drameva, ary lasa nandeha niaraka tamin’ilay mpanompon’i Abrahama.


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.


Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao: –Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!» Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma.


Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noà sy ireo zanany lahy hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.


Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!


Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.


Hataonareo lovan’ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hozakainy ho fananany. Ho mpanomponareo hatrany hatrany ireny; fa ny Israelita mpiray firenena aminareo kosa dia tsy azonareo itratrevatrevana sy ampahoriana.


Hosamborin’ireo ray aman-dreniny izy ka hoentiny amin’ny fitsarana eo anoloan’ny loholon’ny tanàna onenany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra