Genesisy 3:7 - DIEM PROTESTANTA Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin’aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy ireo. Ary nanjaitra ravin’aviavimbazaha izy mba hanaovany sikina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin’aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy. Baiboly Katolika Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahiratra ny mason’izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. Malagasy Bible Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. La Bible en Malgache Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy ireo. Ary nanjaitra ravin’aviavimbazaha izy mba hanaovany sikina. |
Saingy fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an’Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.
Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisà hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ireto mba hahitany ankehitriny. Koa rehefa nosokafan’ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan’i Samaria.
Eny, hoy ny ohabolana, fohy loatra ny farafara ka tsy misy hitsorana, ary kely loatra ny lamba ka tsy ampy hirakofana.
Aoka hiseho ny fitanjahanao ary ho hita izay mahamenatra anao. Hanao valifaty tokoa Aho ka tsy misy mahasakana Ahy,
Efa nanota dia nanota i Jerosalema, ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko. Izay rehetra nanaja azy mamingavinga satria mahita azy mitanjaka. Na ny tenany aza dia misento sady lasa nihodina.
Raha ilay niferinaina tany amin’ny toeran’ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany terỳ lavitra terỳ i Abrahama sy i Lazara teo anilany.
ireo zavatra anisan’ny tena heverintsika ho kely voninahitra kokoa no omentsika voninahitra kokoa; ary ny tsy misy haja amin’ny zavatra anisan’ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
tian’ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady.