Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nandre NY TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao amin’ny saha izy ireo rehefa harivariva ny andro dia niafina ny tavan’NY TOMPO Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha Ralehilahy sy ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’i Iaveh Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rehefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an’i Iaveh Andriamanitra tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nandre an’i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary nandre NY TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao amin’ny saha izy ireo rehefa harivariva ny andro dia niafina ny tavan’NY TOMPO Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha Ralehilahy sy ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 3:8
20 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.


Dia namaly izy hoe: –Nandre ny feonao tao an-jaridaina aho, dia natahotra fa mitanjaka, koa dia niery.


Takon’ny raho-matevina Izy ka tsy mahita, rehefa mandehandeha mitety ny lanitra.»


Moa nanafina ny fahadisoako tahaka ny sarambaben’olona ve aho na nikobona ny heloko tato anatiko?


Avy ao anaty tafio-drivotra ny TOMPO no namaly an’i Jôba ka nanao hoe:


Ny mason’ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.


Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Handeha miaraka aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho vahoakako.


Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.


Asehon’izy ireo fa voasoratra ao am-pony tokoa ny asan’ny lalàna; ka vavolombelon’izany ny eritreriny izay indraindray miampanga azy, indraindray miaro azy.


Ary mitondrà fantàka miaraka amin’ny fiadianareo; ka raha hihataka hivoaka ianareo, dia io fantàka io no hihadianareo lavaka hivoahana sy hanotofanareo ny dikinareo.


Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany?


Kanefa nahoana izahay no hitolo-batana holevonin’io afo lehibe io ka ho faty? Fa raha mbola mandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay, dia ho faty mihitsy.


Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.


Ny mpanjakan’ny tany, ireo lehibe sy ireo komandin-tafika, ireo mpanankarena sy ireo lehilahy matanjaka, mbamin’ny olona rehetra na mpanompo na tsy mpanompo, dia lasa niery tany anatin’ny zohy sy tany ambanin’ny vatolampy teny an-tendrombohitra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra