Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»
Genesisy 27:42 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty. Baiboly Katolika Nolazain’olona tamin-dRebekà izany tenin’i Esao zanany lahy matoa izany, ka nampanalainy i Jakôba zanany lahy aivo, dia hoy izy taminy: «Indro i Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy namanbara tamin-dRebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao. Malagasy Bible Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao. La Bible en Malgache Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao. |
Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»
Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.
Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.
Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.
Voasambotra koa ireo vadin’i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehèla sy i Abigaîla vadin’i Nabala avy any Karmela.