Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany.
Genesisy 27:21 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Itsehàka tamin’i Jakôba: –Manatòna kely hoe, anaka, hitsapako anao mba hahafantarako raha i Hesao zanako tokoa ianao na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ihany Isaka tamin’i Jakoba: Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na i Esao zanako tokoa ianao, na tsia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Itsehàka tamin’i Jakôba: –Manatòna kely hoe, anaka, hitsapako anao mba hahafantarako raha i Hesao zanako tokoa ianao na tsia. Baiboly Katolika «Manatòna àry, hoy i Isaaka, mba hitsapako anao kely, na ianao tokoa no i Esao zanako, na tsia.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Isaka tamin’i Jakoba: Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa hianao, na tsia. Malagasy Bible Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia. La Bible en Malgache Hoy ihany Isaka tamin’i Jakoba: Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na i Esao zanako tokoa ianao, na tsia. |
Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany.
Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao.
Fa izaho kosa, ny mahasambatra ahy dia ny ho eo akaikinao, Andriamanitra ô; Ianao Tompo ANDRIANANAHARY no nataoko fialofana hahazoako manambara ny asa rehetra vitanao.
dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.