Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.
Genesisy 26:19 - DIEM PROTESTANTA Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon’i Itsehàka ka nahita loharano velona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia mbola nihady lavaka teo amin’ny lohasaha ihany koa ny mpanompon’Isaka ka nahita loharano velona tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon’i Itsehàka ka nahita loharano velona. Baiboly Katolika Mbola nihady teo amin’ny lohasaha koa ny mpanompon’i Isaaka, ka nahita loharano velona teo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nihady teo amin’ny lohasaha ny mpanompon’Isaka ka nahita loharano velona teo. Malagasy Bible Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo. La Bible en Malgache Dia mbola nihady lavaka teo amin’ny lohasaha ihany koa ny mpanompon’Isaka ka nahita loharano velona tao. |
Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.
Dia niady tamin’ireo mpiandry ondrin’i Itsehàka ireo mpiandry ondry tao Gerara ka nanao hoe: –Anay ny rano. Dia nantsoin’i Itsehàka hoe Hesèka izany hoe Fifandirana ny fantsakana, satria nifandiran’ireo izy.
Loharano ao an-jaridaina ianao, dia fantsakana miboiboika ranovelona izay mikoriana avy any Libano.
ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia «hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!»