Dia niteny tamin’i Itsehàka i Abimelèka hoe: –Mialà eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.
Genesisy 26:17 - DIEM PROTESTANTA Koa niala teo i Itsehàka, dia nanorin-day tao an-dohasahan’i Gerara ka nipetraka tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala teo Isaka ka nanorina ny tranolainy tao an-dohasahan’i Gerara ary nonina tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa niala teo i Itsehàka, dia nanorin-day tao an-dohasahan’i Gerara ka nipetraka tao. Baiboly Katolika Dia nandeha i Isaaka ka niorin-day teo an-dohasahan’i Jerara sy nonina teo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan’i Gerara ka nonina teo. Malagasy Bible Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo. La Bible en Malgache Dia niala teo Isaka ka nanorina ny tranolainy tao an-dohasahan’i Gerara ary nonina tao. |
Dia niteny tamin’i Itsehàka i Abimelèka hoe: –Mialà eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.
Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.