Mbola tamin’io nofy io ihany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abimelèka hoe: –Izaho koa dia mahalala fa tamin’ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.
Genesisy 26:11 - DIEM PROTESTANTA Ary i Abimelèka mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: –Izay mikasikasika an’ity lehilahy ity sy ny vadiny dia hovonoina ho faty tokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandidy ny vahoaka rehetra i Abimeleka hoe: Izay mikasika an’io lehilahy io na ny vadiny dia hovonoina ho faty! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Abimelèka mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: –Izay mikasikasika an’ity lehilahy ity sy ny vadiny dia hovonoina ho faty tokoa. Baiboly Katolika Dia nomen’i Abimeleka teny ny vahoakany rehetra, nataony hoe: «Izay mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia vonoina ho faty.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa. Malagasy Bible Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa. La Bible en Malgache Dia nandidy ny vahoaka rehetra i Abimeleka hoe: Izay mikasika an’io lehilahy io na ny vadiny dia hovonoina ho faty! |
Mbola tamin’io nofy io ihany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abimelèka hoe: –Izaho koa dia mahalala fa tamin’ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.
Tamin’izany taona izany dia namafy tao amin’io tany io i Itsehàka, ka nahazo zato heny satria notahîn’ny TOMPO.
sady nandidy azy hoe: –Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: «Tsy ho tanànamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.