Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 20:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Mbola tamin’io nofy io ihany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abimelèka hoe: –Izaho koa dia mahalala fa tamin’ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary hoy Andriamanitra taminy, tamin’ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ny fahatsoran’ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho koa dia niaro anao mba tsy hanota Amiko. Koa izay no tsy namelako anao hikasika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Mbola tamin’io nofy io ihany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abimelèka hoe: –Izaho koa dia mahalala fa tamin’ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary hoy Andriamanitra taminy, tamin’ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ny fahatsoran’ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary hoy Andriamanitra taminy, tamin’ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ny fahatsoran’ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho koa dia niaro anao mba tsy hanota Amiko. Koa izay no tsy namelako anao hikasika azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 20:6
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abimelèka mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: –Izay mikasikasika an’ity lehilahy ity sy ny vadiny dia hovonoina ho faty tokoa.


afa-tsy ny voan’ny hazo eo afovoan’ny zaridaina izay efa nandraran’Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay.


Tonga tany amin’i Labàna aramianina tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina ka nilaza taminy hoe: –Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin’i Jakôba!


kanefa namitaka ahy izy fa efa nanova ny karamako impolo. Saingy tsy navelan’Andriamanitra hanisy ratsy ahy izy.


Ary rehefa niala teo ry i Jakôba sy ny zanany, dia nampihorohoroin’Andriamanitra ireo tanàna manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.


Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?


Sasao tanteraka aho ho afa-keloka ary diovy mba ho afa-pahotana.


Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy, ny Israelita tsy nila Ahy,


Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.


Fa haka ny tanin’ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Dia toy izany fa tsy hieren-doza izay mandry amin’ny vadin’ny namany.


mba handidy an’i Aharôna sy ireo zanany hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona dorana manontolo: «Ny sorona dorana manontolo dia hajanona eo am-patan’ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ka andrehetana afo tsy miato eo amin’ny alitara.


Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»


Ary ny amin’ireo anton-javatra nanoratanareo tamiko dia izao: Tsara ny tsy anambadian’ny lehilahy.


Izany no ilazan’ny Tompo hoe: «Mialà teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.


koa dia ny fahadisoan-kevitra no nalefan’Andriamanitra hiasa mahery tao aminy mba hinoan’ireo ny lainga;


Eny, efa miasa tokoa ny hery miafin’ny fanaovan-dratsy; saingy tsy hitranga ilay mpanao ratsy raha mbola eo ihany ilay olona misakana azy.


Kanefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka dia Izy TOMPO mihitsy no efa niaro anao tsy handatsa-dra sy tsy haninji-tanana hamalifaty. Enga anie, tompoko, hanjo ny fahavalonao sy izay te hanisy ratsy anao ny nanjo an’i Nabala.


Nefa velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely Izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, ka Izy no ianianako aminao fa raha tsy tonga faingana nihaona tamiko ianao, dia ho tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza tamin’ny fianakavian’i Nabala rahampitso vao maraina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra