Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:
Genesisy 22:21 - DIEM PROTESTANTA dia i Hotsa lahimatoa sy i Boza rahalahiny, i Kemoela rain’i Arama, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia i Oza lahimatoany, i Boza lahiaivo, i Kemoela, rain’i Arama, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia i Hotsa lahimatoa sy i Boza rahalahiny, i Kemoela rain’i Arama, Baiboly Katolika dia i Hosa lahy matoany, i Boza lahy aivo, i Kamoela rain’i Arama, Baiboly Protestanta Malagasy dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain’i Arama, Malagasy Bible dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama, La Bible en Malgache dia i Oza lahimatoany, i Boza lahiaivo, i Kemoela, rain’i Arama, |
Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:
Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.
Nisy lehilahy iray nonina tany amin’ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Jôba. Tsy misy hokianina sady mahitsy ary nanaja an’Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy.
Koa nirehi-pahatezerana noho izany i Elihò zanakalahin’i Barakela avy amin’ny fokon’i Boza sady anisan’ny tarik’i Rama; tamin’i Jôba no nirehetan’ny fahatezerany, satria mihambo ho marina i Jôba teo anoloan’Andriamanitra.
miaraka amin’ireo firenena madinika samihafa monina any Ejipta; –ireo mpanjaka rehetra amin’ny tany Hotsy; –ireo mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina: dia ny tao Askelôna sy tao Gazà sy tao Hekrôna ary tao amin’ny faritra sisa eo Asdôda;
–ny mponina any Dedàna sy Temà ary Bozỳ mbamin’ireo olona rehetra mpiharatra fihirifana;
Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.