Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 22:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Taorianan’izany dia nisy nanambara tamin’i Abrahama hoe: Indro, niteraka zazalahy tamin’i Nahora rahalahinao koa i Milka,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Tatỳ aorian’izany, nisy nampandre vaovao tamin’i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin’i Nakôra rahalahinao koa i Melkà,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ARY rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin’i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin’i Nahora rahalahinao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 22:20
10 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno 70 taona i Tera, dia niteraka telo lahy dia i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna.


Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,


Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.


Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


dia i Hotsa lahimatoa sy i Boza rahalahiny, i Kemoela rain’i Arama,


Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama.


Dia namaly razazavavy hoe: –Zanakavavin’i Betoela aho, sady zafikelin’i Milkà sy i Nahôra.


Aoka Andriamanitr’i Abrahama sady Andriamanitr’i Nahôra no ho mpitsara antsika! Dia ilay Andriamanitra Izay nampihorohoro an’i Itsehàka rainy no nianianan’i Jakôba.


Toy ny rano mangatsiaka ho an’ny tenda main-ketaheta ny vaovao mahafaly avy any an-tany lavitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra