Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
Genesisy 22:13 - DIEM PROTESTANTA Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. Baiboly Katolika Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrahama niherika nijery, ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ny zanany. Malagasy Bible Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany. La Bible en Malgache Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany. |
Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»
Fa namaly azy i Abrahama hoe: –Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.
Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao, dia ho renao avy aoriana izao teny izao: «Ity no lalana ka araho».
Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.