Dia naka ondry sy osy aman’omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimelèka, ka nomeny an’i Abrahama; naveriny taminy koa i Sarà vadiny.
Genesisy 21:23 - DIEM PROTESTANTA Ankehitriny ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin’ity tany izay ivahinianao ity. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ny tany izay ivahiniananao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankehitriny ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin’ity tany izay ivahinianao ity. Baiboly Katolika Koa mianiàna amiko eto, amin’ny anaran’Andriamanitra fa tsy hamitaka ahy, na ny zanako, na ny zafikeliko ianao, fa ho araka ny soa nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ity tany onenanao ity koa.» Baiboly Protestanta Malagasy koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako hianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ny tany izay ivahinianao. Malagasy Bible koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ny tany izay ivahiniananao. |
Dia naka ondry sy osy aman’omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimelèka, ka nomeny an’i Abrahama; naveriny taminy koa i Sarà vadiny.
ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.
Dia novalian’ireo hoe: –Tsapanay tokoa fa momba anao ny TOMPO; koa nihevitra izahay fa tokony hanao fifanekena ombàm-pianianana isika.
Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon’izany eo amintsika.
Aoka Andriamanitr’i Abrahama sady Andriamanitr’i Nahôra no ho mpitsara antsika! Dia ilay Andriamanitra Izay nampihorohoro an’i Itsehàka rainy no nianianan’i Jakôba.
ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.
Ary hoy i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko mihitsy àry ianao. Dia nianiana taminy i Jôsefa. Ary teo an-doham-pandriany teo i Jakôba no niondrika mba ho fisaorana azy.
Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.
Antsoiko ho vavolombeloko Andriamanitra, satria fantany ny ato am-poko: fitsimbinako anareo no nahatapa-kevitra ahy tsy hiverina any Kôrinto.
Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo.
Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin’ny anaran’izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana.
Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho
dia enga anie hosazîn’ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin’ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombàny ny raiko anie ny TOMPO!
Ary nampianiana an’i Davida koa i Jônatàna amin’ny anaran’ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny itiavany ny tenany i Jônatàna.
Ary hoy i Jônatàna tamin’i Davida: –Mandehana ombàm-piadanana, fa efa samy nianiana tamin’ny anaran’ny TOMPO isika hoe: «Ny TOMPO anie hanelanelana ahy sy ianao ary ny taranako sy ny taranakao mandrakizay!»
Ary hoy i Davida taminy: –Azonao entina any amin’izany andian-tontakely izany ve aho? Dia hoy ny navaliny azy: –Raha mianiana amiko eto anatrehan’Andriamanitra ianao fa tsy hahafaty ahy, na hanolotra ahy amin’ny tompoko, dia hitondra anao eo amin’izany andian-tontakely izany aho.