Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 2:2 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andro fahafito no vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra izay nataony Izy tamin’ny andro fahafito.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andro fahafito no vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra izay nataony Izy tamin’ny andro fahafito.

Jereo ny toko



Genesisy 2:2
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.


Koa notahîn’Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin’ny asany rehetra maha mpahary Azy.


«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan’ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan’ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.


Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin’ny andro sabata dia hovonoina ho faty.


Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin’ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin’ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,


Fa hoy i Jesoa tamin’ireo: –Ny Raiko dia miasa tsy an-kiato ary Izaho koa miasa.


Fa ny andro fahafito kosa dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha akory amin’izany, na ny tenanao, na ny zanakao, na ny mpanomponao, na ny ombinao na ny borikinao, na ny biby hafa rehetra fiompinao, na ny vahiny izay ao an-tranonao; aoka mba hitsahatra tahaka anao koa ireo mpanomponao.


Fa izay tafiditra ao amin’ny fitsaharana voaoman’Andriamanitra, dia mitsahatra amin’ny asany tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny Azy.


Fa misy teny anankiray izay, ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny andro fahafito manao hoe: «Dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.»