Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 2:19 - DIEM PROTESTANTA

Tany no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny biby rehetra sy ny voromanidina rehetra. Dia noentiny tany amin-dRalehilahy ireny mba hahitany izay anarana hiantsoany azy avy; koa izay rehetra niantsoan-dRalehilahy ny zavamananaina rehetra dia izany no anarany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tany no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny biby rehetra sy ny voromanidina rehetra. Dia noentiny tany amin-dRalehilahy ireny mba hahitany izay anarana hiantsoany azy avy; koa izay rehetra niantsoan-dRalehilahy ny zavamananaina rehetra dia izany no anarany.

Jereo ny toko



Genesisy 2:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina.


Hisy tahotra sy horohoro anareo ao amin’ny biby rehetra eny ambonin’ny tany mbamin’ny voro-manidina sy ny bibikely ary ao amin’ny trondro rehetra anaty ranomasina, satria nomena ho eo am-pelatananareo ireny.