Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
Genesisy 2:18 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO Andriamanitra niteny hoe: Tsy tsara raha irery Ralehilahy; hanaovako vady sahaza azy izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.» Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. Malagasy Bible Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO Andriamanitra niteny hoe: Tsy tsara raha irery Ralehilahy; hanaovako vady sahaza azy izy. |
Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy.
Dia namaly ralehilahy hoe: –Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan’io hazo io, ka dia nihinana aho.
Izao kosa ny amin’ireo efa mpifamofo talohan’ny nahatonga azy ho kristianina. Raha miredareda-paniriana razazalahy, ka mihevitra fa tsy hahafehy tena manoloana ny fofombadiny ary mihevitra fa tokony hotanterahina ny raharaham-panambadiana, dia aoka ilay tovolahy hanao izay irîny fa tsy manota izy amin’izany: aoka hifanambady izy roa!
Toy izany koa, ianareo lehilahy, mahaiza miara-mitoetra amin’ny vadinareo izay malemy paika kokoa noho ianareo araka ny efa fantatrareo; manehoa fanajana azy fa mpiombona anjara amin’ilay fiainana nomen’Andriamanitra ianareo mivady. Izany atao, mba tsy hisy zavatra hanampontsampona ny fivavahanareo.
Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota: –Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.