Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 2:16 - DIEM PROTESTANTA

Ary IZY nandidy an-draolombelona hoe: «Azonao ihinanana avokoa ny voa avy amin’ny hazo rehetra ao amin’ny zaridaina;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO Andriamanitra nandidy an-dRalehilahy hoe: Ny hazo rehetra ao amin’ny saha dia tena azonao ihinanana tsara;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary IZY nandidy an-draolombelona hoe: «Azonao ihinanana avokoa ny voa avy amin’ny hazo rehetra ao amin’ny zaridaina;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary i Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: «Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO Andriamanitra nandidy an-dRalehilahy hoe: Ny hazo rehetra ao amin’ny saha dia tena azonao ihinanana tsara;

Jereo ny toko



Genesisy 2:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo.


Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy.


Nampaniry karazan-kazo tsara tarehy fihinam-boa teo amin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra, ka nataony teo afovoan’ny zaridaina ny hazon’aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.


afa-tsy ny voan’ny hazo eo afovoan’ny zaridaina izay efa nandraran’Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay.


Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra;


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.