Genesisy 18:10 - DIEM PROTESTANTA Dia nilaza ny iray tamin’ny vahiny hoe: –Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao. I Sarà anefa tamin’izay dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay, tao an-damosin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nilaza ny iray tamin’ny vahiny hoe: –Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao. I Sarà anefa tamin’izay dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay, tao an-damosin’i Abrahama. Baiboly Katolika Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro, hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ny lay, izay teo ivohon’Ilay niteny. Malagasy Bible Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. La Bible en Malgache Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny. |
Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.
Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.
Ary nanontany izy telo lahy hoe: –Aiza i Sarà vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: –Indro ao an-day izy.
Dia nitoe-jaza i Sarà na dia efa antitra aza i Abrahama, ary niteraka zazalahy izy tamin’ny fotoana izay efa nambaran’Andriamanitra taminy.
Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany.
Kanefa ilay tamin’ny vehivavy mpanompo dia nateraka araka ny maha olombelona fotsiny, fa ilay tamin’ny vehivavy tsy mpanompo dia nateraka noho ny fampanantenana nataon’Andriamanitra.
Fa ianareo, ry havana, dia zanaka nateraka araka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, tahaka an’i Itsehàka.