Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.
Genesisy 17:12 - DIEM PROTESTANTA Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo fara aman-dimby: Na ny mpanompo izay teraka tao an-tranonao, na izay novidinao vola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao. Baiboly Katolika Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao. Malagasy Bible Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. La Bible en Malgache Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo fara aman-dimby: Na ny mpanompo izay teraka tao an-tranonao, na izay novidinao vola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao. |
Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.
Noforan’i Abrahama i Itsehàka zanany lahy, rehefa feno valo andro araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.
«Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny.
Nony afaka herinandro, dia tonga indray izy rehetra hamora ny zaza, ary ny anaran-drainy hoe Zakarià no saika hiantsoany azy.
Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely talohan’ny nahatorontoronina Azy.
Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.
Tsia, tsy izay miseho etỳ ivelany no tena maha Jiosy ary tsy izay voafora ara-nofo no tena voafora;
Voafora fony teraka herinandro aho; taranak’i Israely; avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin’ny fitandroana ny lalàna jiosy, dia Farisianina aho;