Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy
Genesisy 16:8 - DIEM PROTESTANTA ka nanontaniany hoe: –Ry Hagara, mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary hankaiza? Dia namaly izy hoe: –Nandositra tsy ho eo anatrehan’i Saray tompovaviko aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Izy: Ry Hagara, mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary handeha ho aiza? Hoy Ravehivavy: Mandositra an’i Saray tompovaviko aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanontaniany hoe: –Ry Hagara, mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary hankaiza? Dia namaly izy hoe: –Nandositra tsy ho eo anatrehan’i Saray tompovaviko aho. Baiboly Katolika Hoy izy: «Ry Agara, mpanompovavin’i Saray, avy aiza ianao ary ho aiza?» Hoy ny navaliny: «Mandositra lavitra an’i Saray tompovaviko aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’i Saray, avy taiza hianao? ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’i Saray tompovaviko aho. Malagasy Bible Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho. La Bible en Malgache Hoy Izy: Ry Hagara, mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary handeha ho aiza? Hoy Ravehivavy: Mandositra an’i Saray tompovaviko aho. |
Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy
Dia niray tamin’i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohòka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny.
Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Miverena any amin’ny tompovavinao, ka maneke ny fahefàny.
Nefa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza; koa niantso an’i Hagara avy any an-danitra ny anjelin’Andriamanitra nanao taminy hoe: –Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza eo amin’ny toerany eo.
Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: –Inona ity nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin’ny tany.
Fa raha vao nahare izany i Elià, dia nisaron-tava tamin’ny akanjobeny ka lasa nivoaka ary nitsangana teo am-bava zohy. Dia nisy feo niteny taminy indray nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?
Rehefa tonga tao Hôreba i Elià, dia niditra tao amin’ny zohy iray ka natory tao. Ary nisy tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?
Nony tafaverina teo anatrehan’ny tompony kosa i Gehazỳ, dia nanontanian’i Elisà hoe: –Avy taiza ianao, ry Gehazỳ? Ka hoy ny navaliny: –Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.
Raha tezitra aminao ny mpampiasa anao, dia aza miala amin’ny toeranao; fa ny fihetsika tony misoroka fahadisoana be vava.
Nahatsikaritra ity vahiny miandry eo an-kianja ilay lahiantitra ka nanontany azy hoe: –Avy aiza ary ho aiza izato ianao?
Ary ankehitriny, aoka ianao, ry mpanjaka tompoko, hihaino izay holazaiko aminao: raha ny TOMPO no manosika anao hanao izany amiko, aoka hampitony Azy ny sorona aterina aminy; fa raha olombelona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO izy satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ny tany nomen’ny TOMPO ka toy ny manao amiko hoe: «Mandehana manompo andriamani-kafa.»