Genesisy 16:1 - DIEM PROTESTANTA Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Saray vadin’i Abrama dia tsy mba niteraka. Nanana mpanompovavy ejiptiana izy. Hagara no anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy Baiboly Katolika Tsy niteraka tamin’i Abrama i Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejiptianina anankiray atao hoe Agara izy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Saray, vadin’i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. Malagasy Bible Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. La Bible en Malgache I Saray vadin’i Abrama dia tsy mba niteraka. Nanana mpanompovavy ejiptiana izy. Hagara no anarany. |
Noho ny aminy dia nasian’ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman’osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin’ny boriky sy rameva.
Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.
Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohòka enim-bolana izao ilay natao hoe momba.
Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.
Ireo toe-javatra ireo dia raisiko ho fanoharana, fa izy roa vavy dia tandindon’ny fanekempihavanana anankiroa. Ny fanekempihavanana anankiray moa natao tany an-tendrombohitra Sinay, ka miteraka ho amin’ny fanompoana: dia i Hagara izany,
Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin’ny fokon’i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka.
fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon’ny TOMPO momba aza.