Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 13:9 - DIEM PROTESTANTA

Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Miangavy anao aho, aoka hisara-dalana isika: Raha mianavaratra ianao dia hianatsimo aho, fa raha mianatsimo kosa ianao dia hianavaratra aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo hianao, dia hianavaratra kosa aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Miangavy anao aho, aoka hisara-dalana isika: Raha mianavaratra ianao dia hianatsimo aho, fa raha mianatsimo kosa ianao dia hianavaratra aho.

Jereo ny toko



Genesisy 13:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.


Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: –Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin’ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.


Ary hoy i Abimelèka tamin’i Abrahama: –Indro mivoha ho anao ny taniko, koa mipetraha amin’izay mahafinaritra ny masonao.


Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto.


Vao itenenako fiadanana izy, dia mila ady amiko foana.


Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»


Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.


Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana?


Iezaho ny hahatsara fihavanana amin’ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.