Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.
Genesisy 13:14 - DIEM PROTESTANTA Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana; Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: «Atopazo ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah niteny tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; Malagasy Bible Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; La Bible en Malgache Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana, |
Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.
Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.
Atopazo ny masonao hijery manodidina, ny zanakao rehetra dia mivory mankeo aminao. Velona Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka mianiana fa izy rehetra dia hataonao fihaingo toy ny firavaka ary hataonao fietra toy ny fehikibon’ny ampakarina.
Topazo maso ny manodidina anao ka jereo: Indreny izy rehetra fa mivory hankeo aminao. Ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ary ny zanakao vavy kosa trotroina.
Miakara eo an-tampon’i Pisgà ianao ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, dia aoka hijery; satria tsy hahazo mita izany Jôrdàna izany ianao.
Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;